Isan'ny andraikitra sahanin'ny fadintseranana ankoatry ny fanangonana hetra, ny hanamarinana tsara ireo entana mivoaka sy miditra eny amin'ny sisin-tany. fampidirana sy famoahana entana voarara sy mamoa fady, ny entana hosoka, ny fitaovam-piadiana, sns…,ary ny olona mifamoivoy izay ilana fanaraha-maso. Mila fahamatorana sy fahamailona izany asa izany ka nahatonga ny foibem-pitantanan'ny fadintseranana hanavao ny mpitantana eny amin'ny sisin-tany.
30 no isan’ireo mpiasan’ny fadintseranana any NosyBe no nanaraka fihofanana hianatra teny Italianina. Fianarana naharitra teo amin’ny dimy volana teo, izay nanomboka ny volana oktobra 2018 ka nifarana ny antsasaky ny volana martsa 2019. Izany no natao dia noho ny fahamaroan’ny vahiny mpizaha tany Italianina mandalo any amin’iny faritra iny. Hanamora ny fifandraisan’ny mpiasan’ny faditseranana amin’ireo mpizaha tany Italiana amin’ny fanatanterahana ny asany no tanjona.
Efa tafaverina tanteraka nanomboka ny 03 desambra 2018 ny sidina mampifandray mivantana an'i La Réunion sy Tolagnaro ary Toliara, ary tena manao ny asany amin'ny fiarovana ny sisin-tany ny Fadintseranana Malagasy. Misy sidina roa isan-kerinandro amin'io zotra io, ary eo amin'ny 20 ka hatramin'ny 30 eo ho eo ny isan'ny mpandeha isaky ny sidina. Tafakatra hatrany amin'ny 90 any ho any anefa izany amin'ny fotoam-pialan-tsasatra.
Ny alakamisy faha 07 ny volana martsa 2019 dia nahatratra fonosana zava-mahadomelina saika ahondrana any Amerika ny fadintseranana Malagasy etsy Mamory Ivato.
Ny alakamisy faha 07 ny volana martsa 2019 dia nahatratra fonosana zava-mahadomelina saika ahondrana any Amerika ny fadintseranana Malagasy etsy Mamory Ivato.
Ny zoma 08 martsa 2019 no notanterahina ny fifamindram-pahefana teo amin’ny sekretera jeneralin’ny MFB (SG /MFB) teo aloha andriamatoa Rajaobelina Falihery sy Raoelijaona Bien Aimé izay handray ny toerana vaovao.Tamin’io fotoana io ihany koa no namindran’andriamatoa Randrianarison Gabriel sekretera jeneralin’ny toekarena sy ny planin