Zava-mahadomelina tratra teny Ivato Mamory

Ny alakamisy faha 07 ny volana martsa 2019 dia nahatratra fonosana zava-mahadomelina saika ahondrana any Amerika ny fadintseranana Malagasy etsy Mamory Ivato.

Nandritra ny fisavana entana nataon’ny inspecteur verificateur dia nisy baoritra iray nohamarinina ka nahitana fonosan-javatra iray tany amin’ny fanambanin’ilay baoritra, izay nambara fa ankanjo sy firavaka sarobidy kanjo. Rehefa nosokafana io fonosana io, dia  héroine vovony milanja 317 grama no hita tao niaraka tamin’ny bokin-damaody. Nampandrenesina avy hatrany ny sampan-draharaha misahana ny ady amin’ny zava-mahadomelina eo anivon’ny fadintseranana nanao ny fanamarinana sy fikarohana rehetra. Noraisin’ity sampan-draharaha eo anivon’ny fadintseranana ity ny raharaha hanaovana ny fanadihadiana rehetra, ka nanaitra ny fadintseranana Amerikana ny tompon’andraikitra mba hikaroka ny olona saika handefasana ilay entana amin’ny alalan’ny adiresy eo ampela-tanany.

Marihina fa niainga avy tany Nosy be ity entana ity, ary nandalo teny Mamory ivato ary saika hiazo an’I Hamilton Bermuda izao tratran’ny mpiasan’ny fadintseranana izao.

Date de l'actualité: 
Jeudi, 14 mars, 2019
Douanes Malagasy 2017
GTranslate
French English