Ny sabotsy 30 martsa 2019 teo nandray anjara tamin’ny hetsika TAGNAMARO : Andron’ny olom-pirenena ny Minisiteran’ny Toekarena sy ny Fitantanambola. Hetsika fanadiovana faobe teo Antaninarenina no niarahan’ny mpiara-miasa teto anivon’ny Minisitera nanao ka nandray anjara tamin’izany ny mpiara-miasa teto anivon’ny fadintseranana Malagasy. Ireo tompon’andraikitra ambony eto anivon’ny Minisitera notarihin’ny Sekretera Jeneraly no niara-nanantanteraka izany tamin’ireo mpiara-miasa.
Date de l'actualité:
Lundi, 1 avril, 2019