Miverina amin'ny fomba ofisialy ny sidina La Réunion - Tolagnaro - Toliara

Efa tafaverina tanteraka nanomboka ny 03 desambra 2018 ny sidina mampifandray mivantana an'i La Réunion sy Tolagnaro  ary Toliara, ary tena manao ny asany amin'ny fiarovana ny sisin-tany ny Fadintseranana Malagasy. Misy sidina roa isan-kerinandro amin'io zotra io, ary eo amin'ny 20 ka hatramin'ny 30 eo ho eo ny isan'ny mpandeha isaky ny sidina. Tafakatra hatrany amin'ny 90 any ho any anefa izany amin'ny fotoam-pialan-tsasatra. Marina aloha hoe seranam-piaramanidina kelikely ihany  i Tolagnaro, kanefa ampiharina eny avokoa ireo fitsipika mifehy momba ny fanaraha-maso eny amin'ny seranana. Efa maromaro ary ny zavatratra tratra teny, anisan'izany ny voana zava-mahadomelina nafenina tao anaty boatim-panafody, voana baobaba nisy vovoka fotsifotsy izay nahiahiana ho vovoka rongony, entana tsy azo aondrana, menaka trozona, fangaraka velona mbola ao anaty tranony, ary ranon-tantely 09 kilao . Tsy nanana an'ireo taratasy fanamarinana takiana amin'ny fanondranana entana ny tompon'ireo entana rehetra ireo.

 

 

 

 

 

 

 

Date de l'actualité: 
Vendredi, 15 mars, 2019
Douanes Malagasy 2017
GTranslate
French English