Ministère des Finances et du Budget

Douanes Malagasy

Administration de confiance

Ivato - Tanalahy miisa 140 no tratra

Nandritra ny fanantanterahan’ny mpiasan’ny Faditseranana ny asany ny 8 mars 2016, tamin’ny  fiondranana ho amin’ny  zotra TK 0161 (Turkish airlines) ho any Moskoa mandalo Istambul no nahatratrarana  Tanalahy miisa 140 (  caméléons sy geckos) .

Tera-tany  Rosianina no nitondra ireo biby ireo ary nafeniny tanatina karazana aponga tapaka (tam tam) izany .

Tsara ho marihina anefa  fa voararan’ny  Convention CITES, ao amin’ny   Annexe II  ny fanondranana ireo karazam-biby ireo raha tsy nahazoana alalana.

Naverina any amin’ny SERCA  Sarl ireo biby ireo mba hitandrovana azy ireo.