ASOIMI-fifaninanana tsipy kanetibe.

Natao teny ankatso tamin’ny Asabotsy 16 jolay 2016 tontolo andro ny fifaninanana tsipy kanetibe, izay nokarakarain’ny ASOIMI, nandraisan’ireo mpilalao ity taranja ity avy amin’ny Ministera isan-tokony anjara. Lalaon’olona telo miaraka (na triplette) no natao tamin’izany izay nahitana tarika valo ambin’ny dimampolo(58 triplettes). Ekipa telo no nisolo tena ny fadintseranana.

Taorian’ny dingan'ny fifanitsanana dia ekipa roa avy amin’ny fadintseranana no tafakatra hanao ny ampahavalon-dalana fa saingy avy hatrany dia nifandona ka nihintsana ny tarika iray teo amn'ny ampahavalon-dalana.

Abel (SSOC)-Faly (BMS)- Dina (SF) no tafakatra, ka nifanintsana tamin’ny tarika avy amin’ny Jirama sy avy ao amin’ny Présidence tamin’ny ampahefa-dalana sy antsasa-dalana izay nivoahany mpandresy hatrany.

Tafakatra niady ny lalao famaranana ity tariky ry Abel ity ary nandresy ny ekipan’ny Anjerimanontolo tamin’ny isa 11 noho 9.

Arahabaina sy isaorana ny mpandray anjara avy amin’ny fadintseranana sy ny toe-tsaina nentina niatrika ny fifaninana ary ny mbola fandrandraisana anjara amin’ny fifaninanana nasionaly karakarain’ny ASOIMI izay atao any Mahajanga.

Douanes Malagasy 2017
GTranslate
French English