Ministère des Finances et du Budget

Douanes Malagasy

Administration de confiance

ASOIMI ANALAMANGA : lalao baolina kitra

Dingana famaranana roa no atrehina

Tonga amin'ny fihaonana famaranana ny lalao nokarakarain'ny ASOIMI ANALAMANGA eo amin'ny baolina kitra, amin'ny fiadiana ny tompon-dakan'Analamanga taona 2016. hihaona etsy amin'ny kianjan'Alarobia amin'ny zoma 12 aogositra ny ekipa roa avy ao amin'ny Ministeran'ny Fitantanam-bola sy ny Teti-bola. Hifandona amin'izany ny ekipan'ny FADINTSERANANA (Douanes)  sy ny ekipan'ny TAHIRIMBOLAM-PANJAKANA (Trésor)

Efa fahita matetika amin'ny sehatra famaranana toy izao ireto ekipa roa ireto ary nifandimbiasana ny fandresena. Inoana fa lalao hiady no hiseho ary ilàna ny fanohanana avy amintsika ny ekipan'ny fadintseranana

Etsy andadniny kosa dia mbola hisy lalao ao anatin'ny fihaonana amin'ny tompon'ny amboaran'Analamanga taona 2016  dingan'ny manasa-dalana. hifanatrika amin'izany indray ny samy tarika avy ato anatin'ny Ministera nyfitantanam-bola sy ny tetibola:

FADINTSERANANA (Douanes)  sy ny MPANAMARIM-BOLA  (Contrôle financier)

Lalao antsasa-dalana atao eny amin'ny kianja Antanetibe Ivato ami'ny Talata 16 aogositra 2016 amin'ny  ora atoandro

Tongava maro fa "FADINTSERANANA IHANY NO ANTSIKA".